mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 décembre 2021

Fiompiana omby : « hémoparasitoses » no aretina miparitaka ankehitriny

0
Hémoparasites no aretina mahazo ireo omby amina faritra 04 eto Madagasikara amin’izao fotoana izao hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fiompiana. Efa voafehy ny aretina  na nisy aza ny fahatarana ka nampiparitaka izany  raha ny fanazavana, saingy tokony samy ho mailo ny mpiompy.

Covid-19 : mihoatry ny 500 isan-kerinandro ny tranga voamarina

0
Miverina mirongatra ny Covid-19 eto Madagasikara ary ny faritra Analamanga hatreto no tena ahitana betsaka ny tranga voamarina. Ho an’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray nanaovana fanadihadiana, amin’ny olona 40 mahery raisina isan’andro, 99% amin’izay no olona voan’ny Covid-19. Miantso ny rehetra amin’ny fandraisana ny andraikitra mifanandrify amin’izay ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana.

Fisitrahana tany : zava-dehibe ny fananana lalàna miaro ny tantsaha amin’ny zony

0
Isany miteraka olana sy ahazoana fitarainana maro amin’ny lafiny fananan-tany ny fisian’ny fanararaotana ataona olona manam-bola ka milaza fa tompon’ny tany na tsy nanamainti-molaly ny tany aza. Isany ahitana tranga betsaka amin’izay ny ao amin’ny Distrikan’Ankazobe, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanàna any an-toerana. Zava-dehibe hiarovana ny tantsaha sy ny olon-tsotra, hiadiana amin’izay ny fananana ny lalàna mikasika ny propriété foncière privée non titrée, miompana amin’ny fanomezana vahana ny fisitrahan’ny tompon’ny tany ny zony feno, sy hiarovana ny zon’ny tantsaha. Dingana natao hanatsarana ny sehatry ny fananan-tany ihany koa ny fizarana Titre faobe, tahaka ny notontosaina androany tany amin’iny distrika iny.

Faritra Analamanga : natomboka ny famolavolana ny fametrahana drafi-panajariana

0
Sakana ho amin’ny fampandrosoana ny faritra ny tsy fisihan’ny drafim-panajariana, na eo aza ny fahamarohan’ireo harena voajanahary raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Manoloana io,  tontosa androany ny fanombohan’ny famolavolana ny fametrahana izany ho an’ny faritra Analamanga hiarahana amin’ny minisisteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. Tanjona ny hamaritana  ny drafim-pampandrosoana ny faritra mandritra  ny 20 taona raha ny fanazavana.

Notre Dame de Lourdes – Miaramasoandro : notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly

0
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny Eglizy Notre dame de lourde ao Miaramasoandro ao Antsirabe izay mahazaka mpivavaka hatrany amin’ny 850. Nanatrika ny fotoam-bavaka nitsofan-drano ity fiangonana ity ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Na betsaka aza ireo fotodrafitr’asa vita, miavaka ny fitokanana fiangonana.