Accueil 2021 décembre

Archives mensuelles: décembre 2021

Notre Dame de Lourdes – Miaramasoandro : notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly

0
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny Eglizy Notre dame de lourde ao Miaramasoandro ao Antsirabe izay mahazaka mpivavaka hatrany amin’ny 850. Nanatrika ny fotoam-bavaka nitsofan-drano ity fiangonana ity ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Na betsaka aza ireo fotodrafitr’asa vita, miavaka ny fitokanana fiangonana.

Manga Mania Festival k-pop Super Show : afa-po ny mpandray anjara sy ny mpanotrona ny hetsika

0
Seho miavaka maro no nentin’ireo tanora mankafy ny kolontsaina asiatika nandravahana ny famaranana ny Manga Mania Festival k-pop Super Show andiany faha-10 teny Ankorondrano androany. Samy afa-po avokoa na ny mpandray anjara na ny mpikarakara izay nanamafy ny hanohizana hatrany ny hetsika amin’ny taona ho avy.

Polisy siantifika : tsy ampy ny fitaovana entina manatontosa ny asa

0
Mbola lavitra ny fenitran’ny polisy siantifika eto Madagasikara raha oharina  amin’ny any ivelany. Lesoka ny tsy fahampian’ny fitaovana. Tsy ireo trangam-piarahamonina mikasika ny famonoan’olona rehetra ankilany no ahitana azy ireo, miankina amin’ny fiantsoan’ny mpanadihady

Anosimboahangy – Andranomanelatra: titre vert miisa 59 no nozaraina ho an’ireo mpisitraka

0
Nitohy tao amin’ny kaominin’Andranomanelatra, tao amin’ny fokontanin’Anosimboahangy ny fanatanterahana ny tetikasa « Titre vert », fizarana tany sy fitaovana ho an’ireo tanora misitraka ny tan-tsoroky ny fanjakana hihary eo amin’ny tontolon’ny fiompiana sy ny fambolena. « Titre vert » na bokin-tany maitso miisa 59 no nozarain’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina omaly.

Antsirabe : nisitraka fotodrafitrasa maro

0
Maimaimpoana avokoa ny fitsaboana ny zaza latsaky ny 5 taona ao amin’ny CSB2, Antsirabe , izay notokanan’ny Filohan’ny Repoblika omaly. Ankoatra izay, nitokana ny Ceg manara-penitra Mahazoarivo , antsirabe voalohany ihany koa ny tenany nandritra ny fitsidihany tany an-toerana.

Inégenieurs Agronomes : mangataka vahaolana manoloana ny tsy fandriampahalemana

0
Miantso ny hijerena vahaolana maharitra manoloana ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra Atsimo sy Anosy ny fikambanan'ny ingenieurs agronomes miasa any amin’ny faritra Atsimo amin’izao fotoana izao. Nisy ny fanambarana nataon’ireo solontenan’ny teknisiana miasa amin’iny faritra iny, taorian’ny asan-dahalo namoizana ain’olona tany an-toerana.

Filohan’ny CENI : tsy nisy ny fikasana hanao hosoka nandritra ny fifidianana ny taona 2018

0
Tsy nisy ny fampiasana hosoka niainga avy amin’ny laharana karapanondro sy anarana miverimberina niteraka resabe nandritra ny fifidianana ny taona 2018, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny CENI vaovao. Na izany na tsy izany, maro ny tsy fahatomombanana tamin’ny fandikana ny mombamomba ny olompirenena anaty ny lisi-pifidianana araka ny antontan-kevitra voarain’ny filohan’ny CENI vaovao nandritra ny famindram-pahefana androany.

MATSF : miroso ny fanatsarana ny sehatry ny fananan-tany sy ny fanajariana ny tany

0
Manodidina ny 20% n’ny tany eto Madagasikara no voaharo tamin’ny alalan’ny asa momba ny sécurisation foncière hatreto, araka ny taha  avy amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. Nahazoana vokatra tsara ireo ezaka nataon’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny MATSF, noho ireo fizarana boky tany sy karatany faobe tontosa. Ankoatra izay, tetikasa maro miompana amin’ny fanajariana ny tany ihany koa no nahafahana nampandroso ny faritra maro manerana ny Nosy.

PRM : tsy maintsy ho vitaina alohan’ny 2023 ny orinasa famokarana simenitra ao Toamasina

0
Tsy maintsy ho vitaina alohan’ny taona 2023 ny orinasa famokarana simenitra ao Toamasina, hapetraka ny ozinina fanaovana siramamy ary hirosoana ny fanamboarana ny « Autoroute » mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ireo amin’ny ankapobeny no fampanantenana nomen’ny Filoha ny vahoaka nandritry ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny ampahany volaohany amin’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina androany.

Vidin’ny sarety : niakatra avo 25 heny tato anatin’ny 20 taona

0
Niakatra avo 25 heny ny vidin’ny sarety tato anatin’ny 20 taona raha ny fanadihadiana natao tao amin’ny Kaominina Imerintsiatosika. Nahatonga izany ny fahasarotan’ny fitadiavana ireo hazo sy ny fiakaram-bidin’ireo akora ampiasaina amin’ny fanamboarana izany raha ny fanazavana.