mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 février 2022

Ambodivoanio Nosy be : vola manodidina ny 27 Tapitrisa Ariary lasan’ireo jiolahy

0
Trangam-piarahamonina. Halina tokony ho tamin’ny 9 ora, vola manodidina ny 27 Tapitrisa Ariary avy amin’ny mpivady mpanao Cash point ao Ambodivoanio Nosy be no lasan’ny Jiolahy. Noratran’izy ireo ilay mpivady hahafahana maka ny vola sy ny finday teny aminy.

Rivodoza DUMAKO : hitondra rotsak’orana mafy ho an’ireo faritra andalovany

0
Ahiana ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany amin’ireo faritra andalovan’ny rivodoza DUMAKO ankehitriny manoloana ny rotsak’orana mafy entiny raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny BNGRC. Miisa 11 hatramin’ny androany maraina ireo faritra nahazo fampitandremana mikasika ny fihatraikan’ity rivodoza ity ary vinavinaina ahatratra 70 000 ny isan’ireo traboina vokatr’izany raha ny fanazavana.

IMBIKI Herilaza : tsy nahenoana feo intsony taorian’ny famindram-pahefana

0
Ny maraina teo no tontosa ny famindram-pahefana teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana teo aloha, IMBIKI Herilaza, sy ny Minisitra vonjy maika hisolo toerana azy, tsy nanao fanambarana mahakasika ny raharaha hanenjehana azy ny Minisitra nametrapialana. Efa nametraka ny paik’ady ity ministra napetraka vonjy maika ity amin’ny fitohizan’ny fampandehanan-draharaha eo amin’ny Fitsarana.

Lisi-pifidianana : nifarana androany ny fahafahana misoratra anarana

0
Nifarana androany ny fahafahan’ny olom-pirenena 18 taona no miakatra, misoratra anarana anatin’ny lisi-pifidianana. Mavitrika ny mponina amin’ny ankapobeny ijery ny lisitra sy nanoratra anarana raha ny teny amin’ny fokontany nanaovana fanbadihadiana. Tapitra tamin’ity androany ity ihany koa ny fe-potoana fanitsiana ny lisi-pifidianana izay tanterahin’ny voamieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI manerana ny Nosy.

Toamasina : tsabahan’ny olom-boatendry sy olom-boafidy ny asan’ny vaditany sy ny mpisolo vava

0
Miteraka korontana amin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny fisatarana sy ny asa ho an’ny vaditany sy ny mpisolo vava ao Toamasina ankehitriny ny fitsabahana andraikitra ataon’ireo tomponandraikim-panjakana. Maro ireo mitaraina manoloana ny tsy fahatanterahan’ireo didim-pitsarana nohon’ny fidirana an-tsehatra ataon’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy any an-toeran.

Raharaha mafana : tokony ho hafainganina ny famoahana ny marina

0
Tokony ho hafainganina ny famoahana ny vokatry ny fanadihadiana hahitana ny marina reehtra amin’ireo Dossier mivoaka anaty tambazotran-tserasera, hoy ny eo anivon’ny Transparency International – Initiative Madagascar. Zava-dehibe ny famoahana « Alerte » na fanairana ny mpitondra sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony, saingy tokony ho ao anaty fanajana ny lalàna hatrany, hoy izy ireo.