vendredi 29 mars 2024

Archives mensuelles: mai 2022

TOAMASINA : hita faty tao ambany tetezana feno fako sy rano maloto ilay zaza very

0
Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany ny atoandro teo, tao ambany tetezana feno fako sy rano maloto no nahitana ny fatin’ilay zazakely 03 taona, notadiavina nanomboka omaly tao Tanamborizano Toamasina. Latsaka tao anatin’ilay tetezana io zazakely io ka izao hita faty izao.

Fampanana’asa eto Madagasikara : hamoraina ny fisitrahin’ireo tanora asa

0
Mba anamorana ny fisitrahana asa ho an’ireo tanora, nisy ny fiarahana miasa ny fanjakana sy ireo mpiaramiombon-antoka avy any ivelany. Notaterahina androany arak’izany ny latabatra boribory izay niarahana nidinika tamin’ireo mpisehatra samihafa mba ho fampiroboroboana ny famoronana’asa eto Madagasikara.

Kaominina Merikanja : miisa 57 ireo nisitraka ny didipoitra faobe

0
Ny kaominin’ambanivohitr’i Merikanjaka distrikan’I Manjakandriana omaly, no nanombohan’ny Antoko Malagasy miara Miara-miainga ny hetsika didipoitra faobe amin’ity taonaity. Hetsika ara-tsosialy izay natao ho fanampiana ny mpiara-belona sy ho taberin’andraikitry ny antoko raha ny fanazavana.

Ady amin’ny valala : mitohy ny fampiasa angidim-by ataon’ny fitondram-panjakana

0
Antony nahatonga ny fitombon’ny andiam-balala tamin’ity taona ity ny fiantraikan’ny fiovan’ny teotry ny andro sy ny fisin’ireo andro ratsy izay nifandimby teto amintsika araka ny nambaran’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana. Ankilany manoloana ny fisian’ireo andiam-balala manerana ny distrika maro, ampy ary tsy misy hatahorana ireo fanafod ampiasaina amin’ny famonoana andiam-balala ananan’i Madagasikara hatreto.

QMM : nosokafana ireo sakan-dalana taorian’ny fifampiresahana nandritry ny roa andro

0
Taorian’ny fifampiresahana nandritry ny 02 andro, nosokafana ireo sakan-dalana tsy nahafahan’ny orinasa QMM ao Taolagnaro niasa araka ny tokony ho izy tao anatin’ny 02 volana. Nanaiky ary nanao sonia ny fifanarahana avokoa ireo andian’olona nanao fihetsiketsehana, ny orinasa QMM ary ny solontenan’ny fitondram-panjakana Malagasy. Hiverina amin’ny laoniny ny fahafaha-mamokatry ny orinasa ao an-toerana.

Fifamoivoizana eny Analakely : milamina amin’ny ankapobeny

0
Ho amin’ity andro faha 02 amin’ny fampiharana ny lamina vaovao ny fifamoivoizana etsy Analakely, tsapa ho nihena ny fitohananan’ny fiara avy ao Analakely mihazo an’Anosy. Mbola misy kosa nefa ny lesoka raha ny miditra aty Analakely ho an’ireo fiara avy any Anosibe miditra Anosy raha ny fanazavan’ny ben’ny tanana Antananarivo renivohitra, ary hijerena vahaolana manokana.

Banky iraisam-pirenena: sokajiana ho tena mahantra izay mampidi-bola latsakin’ny 2,15$ isan’andro

0
Manomboka amin’ity taona 2022 ity, sokajiana ho tena mahatra ireo izay mapidi-bola latsakin’ny 2,15$ raha ny tatitrin’ny banky iraisam-pirenena. Mbola maro ireo Malagasy izay tsy mavita mapiditra io vola io isan’andro raha ny fanadihadiana izay natao. Nilaza ny mpahay toe-karena fa anisany antony tsy atakaran’ny Malagasy io tarehimarika io ny fikorotanana eo anivon’ny fanjakana izay manakorotana ny lafony ara-ekonomika izay miverina matetika kanefa tsy misy mandray lesona ho fanitsiana ny toe-draharaha ankehitriny.

Famotsiam-bola : misy orinasa 03 ahiahiana ka nanaovana fanadihadiana

0
Nanaitra ny maro ny fahitana antotan-taratasy voafaritry ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana mahakasika famotsiam-bola amina orinasa 03 eto amintsika, miparitaka any anaty tambazotran-tserasera. Antotan-taratasy mahakasika ny tatitry ny fanadihadiana natoan’ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana amin'ny Famotsiam-bola izay ahitana volabe mivezivezy.

Vidin-tsolika : hisy ny fiakarana manomboka ny volana Jolay ho avy izao

0
Tsy maintsy hiakatra ny vidin-tsolika eto Madagasikara vinavinaina manomboka ny volana Jolay ho avy izao araka ny nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo androany teny Tsimbazaza. Ny fanapahana avy eo anivon’ny filan-kevitry ny Minisitra no hanapaka io fiakarana izay ho fantatra miandalana ihany raha ny nambarany.

Antenimierampirenena : lany ilay tolo-dalàna mahakasika ny «Participation des femmes aux poste de décision »

0
Lany teo anivon’ny Antenimierampirenena androany ilay tolo-dalàna mahakasika ny « Participation des femmes aux poste de décision » izay tolo-dalàna natolotry ny filohan’ny Antenimierampirenena RAZANAMAHASOA Christine. Ho fampiharana ireo fifanekena iraisam-pirenena izay nosoniavin’i Madagasikara mahakasika ny Miralenta no anton’ity tolo-dalàna ity fa eo ihany koa ny fampandraisana anjara bebe kokoa ny vehivavy Malagasy eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy politika.