Accueil 2022 juin

Archives mensuelles: juin 2022

CISCO Toliara II : 8 volana tsy nandray tambin-karana ireo mpampianatra ENF-SUB

0
Nitokona manoloana ny Biraon’ny fitaleavamparitry ny Fanabeazam-pirenena ao Toliara ireo mpampianatra ENF-SUB ao anaty faripiadidiam-pampianarana Toliara faharoa mitaky ny tambinkarama 8 Volana.

Mpianatra ENS : mitaky ny hamoahana ny vatsim-pianarana

0
Mpianatry ny Ecole Normale Supérieure an-jatony no tsy mbola nahavoaray vatsim-pianarana 3 volana. Androany, nanatontosa antso fanairana ary nanome 24ora ho an’ny tomponandraikitra hamahana ny olana ireo mpianatra ireo. Takian’izy ireo ny haoahana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra rehetra.

PAT Antananarivo : niverina nitokona nanomboka androany

0
Mitsahatra tanteraka ny asa aman-drahara ho an’ireo mpiasan’ny oniversite an’antananarivo manomboka androany. raha ny fanazavana, nohon’ny fahatarana mikasika ny fanomezana ny karama no anton’ny fitsaharanan’ny asa. Manomboka androany ny hetsika fitakiana karama volana jona eny Ankatso ho an’ireto mpiasan’ny Oniversite ireto.

Tolo-dalàna 009-2021 : lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona

0
Lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona ny tolo-dalàna 009-2021 momba ny code de procédure pénal. Isan’ny teboka niova anatin’izany ny hoe, fampahafantarana ny an’ny Minisitry ny fitsinjaram-pahefana ary misy fe-potoana voafetra andraisana fanapahan-kevitra.

Antoko politika maro : nampihavanin’ny CFM tany Brickaville

0
Notanterahina tany Brickaville ny fampiavannana ara-pomba Malagasy eo amin’ny mpomban’ny antoko TIM sy ny mpomba ny antoko AREMA sy ireo antoko politika hafa. Anton’izao fampiavanana notarihin’ny CFM izao ny zava-nitranga tany Brickaville tamin’ny antoko roa tonta ny taona 2002 izay nitarika krizy politika tamin’izany fotoana

Governemanta : maro ny asa tsy mandeha araka ny tokony ho izy hoy ny Solombavambahoaka

0
Mitaky ny hamoahana ny didy fampiharana mahakasika ilay lalàna momban’ny boky rovitra ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara avy any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ankoatra io, maro ny asa mijanona amin’ny vato fototra eny anivon’ny distrika maro manerana ny Nosy hoy ireo Solombavambahoaka androany teny amin’ny CCI Ivato.

Solombavambahoaka : nahitsy ny fomba fiteny teo anatrehan’ny Governemanta

0
Misy amin’ireo governoram-paritra no nahazo fanakianana mavaivay avy amin’ny Solombavambahoaka androany nandritra ny andro faharoa teo amin’ny fifanatrehan’izy ireo sy ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta. Ankoatra io, nitohy ihany koa ny fitakiana ireo fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena nefa tsy mbola tanteraka hatramin’izao.

Orinasa mpanao lalana : miandry sonian’ny fiadidiana ny Repoblika hahazoana ny vola

0
Miandry ny sonian’ny fiadidiana ny Repoblika hahafahana misitraka ny vola ankehitriny ireo orinasa mpanao lalana araka ny antso avo nataon’izy ireo teny Antaninarenina ny atoandro teo. Efa nolalovana avokoa ireo an-tanan-tohatra rehetra voakasik’izany hoy izy ireo, ka tsy tokony hisy antony hafa tsy hahafahana mamoaka ny vola.

Mpianatra ho mpitsabo : manome 48 ora ny Fanjakana hamaly ny fangatahan’izy ireo

0
Tsy nahazoam-baliny hatreto ny fitakiana fampiakarana ny tambin-karama nataon’ireo mpianatra ho mpitsabo raha ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Manomboka ny zoma ho avy izao, hitsahatra amin’ny asa ary hanatanteraka fitokonana faobe izy ireo raha tsy misy ny vahaolana haroson’ny fanjakana.

Fitokonan’ny mpiasa – MAE : miandry ny fanapahan-kevitry ny fiadidianan’ny Primatiora

0
Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny fiadidianan’ny Primatiora no hiverenan’ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny miasa na tsia. Sonia ahafahan’izy ireo mandrazy ny tambim-karama sy mampitovy zo ny mpiasa eo anivon’ity minisitera ity.