vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 24 juin 2022

Saran-dalana eto an-drenivohitra: ahiana hiakatra 1 000 Ariary

0
Vinavinaina hiakatra 1000 Ariary ny saran-dalana amin’ireo fitateram-bahoak eto antanannarivo renivohitra rah any fanazavan’ny UCTU androany. anton’izay fiakarana izay ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ampiasaina amin’ny fiara fa indrindra ny fiakaran’ny solika izay tsy azo idovirana atsy ho atsy. Hisy arak’izany ny fiaonana sy fifampidinihana miaraka ami’ny fanjaka sy ireo coperativam-pitaterana eto andrenivohitra mba ijerena vaha olana mikasika ny fiakaran’ny saran-dalana.

Firenena mikambana : zava-dehibe ny fisorohana mialoha ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetr’andro

0
Zava-dehibe ny fahafahana misoroka mialoha ny voka-dratsy mety hateraky ny fiovan’ny toetr’andro sy ireo loza voajanahary eto Madagasikara, hoy ny Solontenana manokan’ny Sekretera Jeneraly ny Firenena mikambana, izay nitsidika ny tapany atsimon’ny Nosy. Ny fisorohana mialoha izay miantraika mivantana amin’ny sosialin’ny mponina ihany koa noho izy ireo ho afaka mamokatra.

LFR : natolotra teny amin’ny Antenimierampirenena androany

0
Androany no natolotry ny Minisitry ny Fitantanam-bola ny LFR na ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2022 tamin’ireo solombavabahoaka teny amin’ny Antenimierampirenena, ny hariva tamin’ny 3 ora no niditra tao nadalo ny asam-bomera ny tolodalana. Rahampitso koa dia efa hiroso amin’ny fanadaniana io lalana io ny solombavabahoaka raha ny lamina napetrakin’ny eo anivonn’y Antenimierampirenena.

LFR : fohy ny fotoana handinihan’ny vaomiera ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2022

0
Raha toa ka ny 8 jona lasa teo no nakatoavina ny filankevitry ny ministra ny volovolan-dalana mahakasika ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2022, androany vao natolotra teny amin’ny antenimieram-pirenena izany ary androany hariva vao hiditra amin’ny asam-bomeza. Rahampitso izanydia efa hiroso amin’ny fandaniana izany ireo solombavambahiaka.