Archives quotidiennes: 28 juin 2022

Moramanga : nisitraka fanomezana avy amin’ny antoko MMM ny CSB II Anosibe Ifody

0
Nanolotra fanomezana ho an’i CSB II ao amin’ny Kaominina Anosibe Ifody ao anatin’ny distrikan’i Moramanga ny mpanolotsain’i loholon’i Madagasikara RAHARINIRINA Sidonie avy amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga. Ankoatra io, nisy ihany koa ny fanolorana fanomezana ho an’ireo zokiolona.

CNFPPSH Ampandrianomby : mitohy ny fanohanana ireo olona manana fahasembanana

0
Mitohy ny fanohanan’ny tetikasa Mihary EEE ireo olona manana fahasembanana. Androany samy nahazo ny anjarany na ireo izay miasa tena na ireo miasa eny anivon’ny orinasa. Tanjon ‘ny tetikasa ny fizakantenan’ireo olona manana fahasembanana amin’ny alalan’ny fanofanana rak’asa sy fampisitrahana asa.

SECREN : tsy nandray karama tao anatin’ny 9 volana ireo mpiasa

0
Mitaky ny handoavana ny karamany tao anatin’ny 09 volana ireo mpiasa ao amin’ny orinasa SECREN Antsiranana. Mety hisy ny fipoahana ara-tsosialy raha tsy voavaha ny olana hoy izy ireo, izay nanamafy fa potehin’ny mpitantana ny orinasa. Ohatra amin’izany ny fisian’ny fiara mitatitra « VY » mivoaka ny orinasa isan’andro, tao anatin’ny 3 volana.

Digitalisation : hampihena ny kolikoly eny amin’ireo sampandraharaham-panjakana

0
Hampihena ny kolikoly eny amin‘ireo sampandraharaham-panjakana ny firosoana amin’ny digitalisation. Taorian’ny teny amin’ireo sekoly ambaratonga ambony hirosoana ankehitriny ny an’ireo mpampianatra Fram sy ny « identifiant unique » iarahana amin’ny minisiteran’ny atitany.

Vondrona Eropeana : nanokana 600 Tapitrisa Euros hanampiana ireo firenena aty Afrika

0
Manoloana ny adin’i Ukraine sy i Russie sy ny voka-dratsy aterak’izany maneran-tany, nanokana 600 Tapitrisa Euros hanampiana ireo Firenena mivondrona amin’ny ACP na ny Afrique Caraïbes Pacifiqueny Vondrona Eropeana. Tohizana ihany koa raha ny fampitam-baovao navoaka ny fampitsaharana ny ady.

Fiainam-bahoaka : teboka maro no ilana fanatsarana

0
Mbola miaina ao anaty fahasahiranana ny vahoaka Malagasy noho ny fisotrondry ny vidim-piainana tao anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity, azo ambara fa niiba araka izany ny fiainam-bahoaka hoy ireo mpandinika politika. Ankoatra ireo, misy ihany koa ny fitantanana tsy mahomby sy tsy mandeha araka ny tokony ho izy teo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena.