mercredi 24 avril 2024
Accueil 2022 juin

Archives mensuelles: juin 2022

Vidim-piainana: vinavinaina hiakatra 9,2% amin’ny faran’ny taona 2022

0
Tafiakatra hatrany amin’ny 9,2% ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’ny faran’ity taona ity raha ny vinavina ara-toekarena sy ara-bola ao amin’ny LFR 2022. Raha ny fanazavan’ireo mpahay toe-karena, mavesatra amin’ny vahoaka Malagasy io fiakaran’ny vidim-piainana ho 9,2% io.

SAMBAVA : volan’ny CLD manodidina ny 393 Tapitrisa Ariary nisy nanodikodina

0
Olona valo no voarohihory amin’ny fanodikodinana volan’ny CLD ao amin’ny Distrikan’i Sambava ka isan’izany ny Solombavambahoaka araka ny tatitra navoaky ny BIANCO. Efa eny am-pelatanan’ny PAC ny raharaha amin’izao fotoana ary miandry ny tohin’ny fanadihadiana sy ny fanesorana ny Immunité Parlementaire.

Antenimierandoholona : nankatoavina ny fandraisan’anjaran’ny fanjakana amin’ny tetikasa Sahofika

0
Lany teo anivon’ny antenimierandoholona ny hariva teo ny volavolan-dalàna fankatoavana ny fifanarahana famatsiam-bola mifandraika amin’ny fandraisan’anjaran’ny Fanjakana Malagasy amin’ny petrabolan’ny Orinasa “NEHO/ Projet Hydroéléctrique de SAHOFIKA”. Ity tetikasa ity izay hampihena ny fahatapahan-jiro.

Fihaonan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka : nahazoana fitarainana betsaka ny fahatapahan-jiro

0
Maro ny teboka nahazoana fitarainana sy tsikera mivaivay avy amin’ny solombavambahoaka nandritra andro voalohany ny fihaonan’izy ireo ao anatin’ny tamin’ny mpikamban’ny governemanta androany. Ny fisondrotry ny vidim-piainana tsy mitsaha-misondrotra, jiro sy rano tapaka lava, kidnapping, anisan’ireo fanontaniana napetraky ny solom-bavambahoaka manodidina ny 20 nandray fitenenana voalohany.

Fahaverezan’ny volamena 36,43kg : nametraka fitoriana ny eo anivon’ny Primatiora

0
Isan’ireo nametraka fitoriana mahakasika ny fahaverezan’ilay volamena milanja 36,433 kg teo anivon’ny Minisiteran’ny Harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika ny avy eo anivon’ny DLC Na ny Direction de la Législation et du Contentieux ao anivon’ny Primatiora sy ny Praiminisitra NTSAY Christian. Andrasana ity farany ny tohin’ny fanadihadiana.

Moramanga : nisitraka fanomezana avy amin’ny antoko MMM ny CSB II Anosibe Ifody

0
Nanolotra fanomezana ho an’i CSB II ao amin’ny Kaominina Anosibe Ifody ao anatin’ny distrikan’i Moramanga ny mpanolotsain’i loholon’i Madagasikara RAHARINIRINA Sidonie avy amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga. Ankoatra io, nisy ihany koa ny fanolorana fanomezana ho an’ireo zokiolona.

CNFPPSH Ampandrianomby : mitohy ny fanohanana ireo olona manana fahasembanana

0
Mitohy ny fanohanan’ny tetikasa Mihary EEE ireo olona manana fahasembanana. Androany samy nahazo ny anjarany na ireo izay miasa tena na ireo miasa eny anivon’ny orinasa. Tanjon ‘ny tetikasa ny fizakantenan’ireo olona manana fahasembanana amin’ny alalan’ny fanofanana rak’asa sy fampisitrahana asa.

SECREN : tsy nandray karama tao anatin’ny 9 volana ireo mpiasa

0
Mitaky ny handoavana ny karamany tao anatin’ny 09 volana ireo mpiasa ao amin’ny orinasa SECREN Antsiranana. Mety hisy ny fipoahana ara-tsosialy raha tsy voavaha ny olana hoy izy ireo, izay nanamafy fa potehin’ny mpitantana ny orinasa. Ohatra amin’izany ny fisian’ny fiara mitatitra « VY » mivoaka ny orinasa isan’andro, tao anatin’ny 3 volana.

Digitalisation : hampihena ny kolikoly eny amin’ireo sampandraharaham-panjakana

0
Hampihena ny kolikoly eny amin‘ireo sampandraharaham-panjakana ny firosoana amin’ny digitalisation. Taorian’ny teny amin’ireo sekoly ambaratonga ambony hirosoana ankehitriny ny an’ireo mpampianatra Fram sy ny « identifiant unique » iarahana amin’ny minisiteran’ny atitany.

Vondrona Eropeana : nanokana 600 Tapitrisa Euros hanampiana ireo firenena aty Afrika

0
Manoloana ny adin’i Ukraine sy i Russie sy ny voka-dratsy aterak’izany maneran-tany, nanokana 600 Tapitrisa Euros hanampiana ireo Firenena mivondrona amin’ny ACP na ny Afrique Caraïbes Pacifiqueny Vondrona Eropeana. Tohizana ihany koa raha ny fampitam-baovao navoaka ny fampitsaharana ny ady.