mercredi 24 avril 2024
Accueil 2022 juillet

Archives mensuelles: juillet 2022

Dinik’asa iombonana : tanterahina ny sabotsy ho avy izao

0
Hiroso amin’ny Dinik’asa Iombonana izay hotanterahina ny sabotsy ho avy izao ny kaomity manomana ny fikaonandoham-pirenena. Ity dinik’asa iombonana ity izay handraisana ireo tsoa-kevitra rehetra entina hanatsarana ny lalàm-pifidianana eto amintsika sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.

TOAMASINA: tafatsoaka tao amin’ny Violon nitazonana azy ilay gadra nitsoaka

0
Androany vao maraina be, tafaporitsaka fanindroany tao amin'ny Violon nitazonana azy indray i Rajoelison Jean Chris (na i Mainty), iray tamin'ireo voafonja nitsoaka ny fonjan'Ambalatavoahangy omaly antoandro. Tsy hita avokoa arka izany ireo telo lahy nitsoaka ny Fonja omaly ary mitohy ny fikarohana.

Banque Mondiale : hitombo ny fanohanana ara-bola ho azon’i Madagasikara

0
Hitombo ny fanampiana ara-bola ho azon’i Madagasikara avy amin’ny banky iraisam-pirenena raha ny fanambarana nataon’ny tale mpanatranteraka avy eo anivon’ny banky iraisam-pirenena, izany nihaona tamin’ny filoham-pirenena teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny maraina teo. Noresahina nadritra ny fihaonana ny fanatsarana izany mbola ho atao amin’ny fampivoarana ny firenena. Azo heverina hivoaka amin’ity taona ity ihany koa ny vola ampahany faha-2 amin’ny ilay FEC azon’i Madagascar raha ny tatitra nataon’ny solontenan’ny fitondrana malagasy eo anivon’ny tahirim-bola iraisam-pirenena.

Maki Andohatapenaka : nisehoana lozam-pifamoivoizana

0
Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny hariva teo tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany ny lalam-baovao Maki mihazo ny sampanana Ambohitrimanjaka. Fiara roa sy moto iray no nifandona tamin’izany. Ialana tsiny amin’izay mety ho tohina amin’ny sary.

«Jour du dépassement » : niroso aloha tamin’ity taona 2022 ity

0
Niroso mialoha ny andro fihoarana na ny « jour du dépassement » ho an’ity taona 2022 ity. Refy izay entina mamaritra isan-taona ny fahalanian’ny vokatry ny tany ho an’ny zava-manan’aina. Manoloana ny firosoana isan-taona ny jour du dépassement io, efa mitrosa amin’ny harena voajanahary na ny ressources naturel ny manerantany ankehitriny ary tafiditra amin’ny antsoina hoe « dette écologique » ny rehetra.

Propriété privée non titrée : misy tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenana hoy ny HCC

0
Tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenana ny andalana faharoa ao amin’ny andininy faha 29 ny lalàna 2022-013, momba ny Propriété privée non titrée hoy ny HCC. Nisafidy ny tsy haneho hevitra ny minisitra tompon’andraikitra raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika io lalàna io androany.

Fampiasana ny lalana : maro ny endrika fanaparam-pahefana miseho

0
Maro ny endrika fanaparam-pahefana hita amin’ny fampiasana ny lalana, tsy voahaja intsony ny hoe ireo lehibena andrim-panjakana ihany no tokony hisy mpisava lalana sy hampaneno anjomara eto amintsika. Manoloana izany, manaitra ny tomponandraikitra isan-tokony ny mpampiasa lalana ny amin’ny tokony hanajan’ny rehetra ny lalàna.

Ambohitrimanjaka : tsy nilefitra tamin’ny fampiakarana ny saran-dalana ho 900 Ariary ny mpitatitra

0
Tsy nihemotra tamin’ny fampiakarana ny saran-dalana ho 900 Ariary ny koperativam-pitaterana mampitohy an’andrenivohitra sy Ambohitrimanjaka na teo aza ny dinika niarahana tamin’ny fiadidiana ny tanàna sy ny solontenan’ny mpanjifa. Tsy ara-drariny ny fampiakara hoy ireto farany izay nanamafy ny tokony hijerena ny marimaritra iraisana ho fitsinjovana ny vahoaka hatrany.

Mpianatra avy amin’ny faritra-23 : mitaky ny hampiakarana ny « bourse » ho 100%

0
Mitaky ny hampiakarana ny vatsim-pianarana na ny « Bourse» ho 100% ankehitriny ny fikambana’ireo mpianatra avy amin’ny faritra-23 eny anivon’ny oniversite an’Antananarivo raha ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Anton’izany ny fihatraikan’ny fikaran’ny vidim-piainana raha ny nambaran’izy ireo. Manome herinandro ny tomponandraikitra hijery vahaolana manoloana izany izy ireo, eo ihany koa ny mikasika ny trano fonenana natokana ho an’ny mpinatra eny Ambatomaro.

Comores – Madagascar : mihenjan-droa ny tady noho ny raharaha volamena sy fanafoanana sidina

0
Nandiso ny tenin’ny minisitry ny fitaterana Rolland Ranjatoelina ny mpitondra tenin’i Comores tamin’ny alalan’ny interview nataony ny 23 jolay lasa teo. Nomelohin’ny mpitondra tenin’ny governemanta Komoriana ny filazan’ny minisitry ny fitaterana Malagasy tamin’ny RFI fa ao anatin’ny Ligne rouge i Comores amin’izao fotoana io. Namafisin’ity mpitondra teny ity hatrany fa tsy mbola nisy hatramin’izao ny taratasy fangatahana nataon’ny fanjakana Malagasy mikasika ny fampodiana ilay volamena tratra tany Comores.