mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 juillet 2022

Sendikan’ny JIRAMA : miantso ny mpitondra hametraka politika mazava momba ny orinasa

0
Miantso ny fitondram-panjakana hanana finiavana ara-politika hanarina sy handray andraikitra ao anatin’ny fotoana fohy ny Sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Ahiana ny hisian’ny korontana sy ny fipoahana ara-tsosialy hoy izy ireo, izay nanamafy fa tsy ny mpiara-miasa na ny olombelona no fototry ny olana eo anivon’ny orinasa JIRAMA.

Toby Fiantsonana Fasan’ny karana : mbola hiakatra ny saran-dalana ny zoma ho avy izao

0
Tsy hijanona hatreo fa mbola hiakatra ny zoma ho avy izao ny saran-dalana eny amin’ny toby Fiantsonan’ny Fasan’ny karana raha ny fanazavana. Saran-dalana vonjy maika ihany no nampiharin’ireo kaoperativa misahana zotra nasionaly sy rezionaly nanomboka ny latsinainy lasa teo.

Petite Vitesse : tsy manaiky ny hametrahana ny « pylône téléphérique » anaty tsena ireompivarotra

0
Nitokona, nanao tsena maty ireo mpivarotra etsy amin’ny tsena petite vitesse androany. Anton’izany ny tsy faneken’ireo mpivarotra ny anorenana ny pylone mikasika ny tetikasa téléphérique. Efa nisy ireo teknisianina tonga nadrefy teny amin’ny tsena raha ny fanazavna hatrany.

Fitaterana suburbain : niakatra 20% ny saran-dalana amin’ny ankapobeny

0
Nisy fikarana 20% ny saran-dalana ho an’ireo fiara fitateram-bahoka manodidina an-Antananarivo. Amin’ny akapobehiny ireo koperativa mivodrona ao amin’ny UCTS sy ny UCTS.FA no nampiatra io fiakarana saran-dalana manomboka amin’ny 200 Ariary no miotra androany.

Toliara: ahiana hiteraka fatiantoka ho an’ireo mpitatitra ny fiakaran’ny vidin-tsolika

0
Manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika misy ankehitriny, misedra olana ireo mpitatitra ao Toliara. Miandrandra vahaolana maika avy amin’ny tompon’andraikitra mahefa izy ireo.

Vahaolana ara-toekarena : ilaina ny fanaovana ho laharampahamehana ny famokarana

0
Tsy tokony hampitombo ny fahantrana eto amin’ny firenena ny krizy maneran-tany araka nyfanehoan-kevitry ny mpahay toekarena no mpikambana eo anivon’ny Firaisamonim-pirenena RohyPatrick Randriamisata. Miankina amin’ny paikady tanterahin’ny fanjakana hiatrehana ny krizy noahafahana mapandroso ny firenena na mampitotongana izany raha ny fanazavana. Isany vahaolanatokony atao laharampahamehana ny fampitomboana ny famokarana anatiny.

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY : namaky ady amin’ireo mpanakanto eo anivon’ny OMDA

0
Nahitsy ny fanambarana izay nataon’ireo mpanakanto androany ho an’ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina mahakasika ny zava-misy eo anivon’ny OMDA izay mampifanolana ny roa tonta. Nambaran’izy ireo tao anatin’ny fanambara fa tsy mankasitraka sy tsy maniry ny ho eo ambany fiahian’ny Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZADY intsony izy ireo ary nanamafy ny tokony tsy hitikitihana ny OMDA aloha ny Minisiteran’ny Kolontsaina.

Euro sy Dolara : mifanakaiky ny lanjany raha oharina amin’ny Ariary

0
Tsy mitsaha-midina ny lanjan’ny Euro raha oharina amin’ny Ariary amin’izao fotoana izao. Araka ny tatitry ny banky foiben’i Madagasikara, manakaiky hitovy amin’ny lanjan’ny Dolara raha oharina amin’ny Ariary ny Euro oharina amin’ny Ariary ankehitriny. Izany hoe, androany, 4 090 Ar ny 1 dolara ary 4 095 Ar eo ny 1 Euro.