Archives quotidiennes: 27 juillet 2022

Fampiasana ny lalana : maro ny endrika fanaparam-pahefana miseho

0
Maro ny endrika fanaparam-pahefana hita amin’ny fampiasana ny lalana, tsy voahaja intsony ny hoe ireo lehibena andrim-panjakana ihany no tokony hisy mpisava lalana sy hampaneno anjomara eto amintsika. Manoloana izany, manaitra ny tomponandraikitra isan-tokony ny mpampiasa lalana ny amin’ny tokony hanajan’ny rehetra ny lalàna.

Ambohitrimanjaka : tsy nilefitra tamin’ny fampiakarana ny saran-dalana ho 900 Ariary ny mpitatitra

0
Tsy nihemotra tamin’ny fampiakarana ny saran-dalana ho 900 Ariary ny koperativam-pitaterana mampitohy an’andrenivohitra sy Ambohitrimanjaka na teo aza ny dinika niarahana tamin’ny fiadidiana ny tanàna sy ny solontenan’ny mpanjifa. Tsy ara-drariny ny fampiakara hoy ireto farany izay nanamafy ny tokony hijerena ny marimaritra iraisana ho fitsinjovana ny vahoaka hatrany.

Mpianatra avy amin’ny faritra-23 : mitaky ny hampiakarana ny « bourse » ho 100%

0
Mitaky ny hampiakarana ny vatsim-pianarana na ny « Bourse» ho 100% ankehitriny ny fikambana’ireo mpianatra avy amin’ny faritra-23 eny anivon’ny oniversite an’Antananarivo raha ny fanambarana nataon’izy ireo androany. Anton’izany ny fihatraikan’ny fikaran’ny vidim-piainana raha ny nambaran’izy ireo. Manome herinandro ny tomponandraikitra hijery vahaolana manoloana izany izy ireo, eo ihany koa ny mikasika ny trano fonenana natokana ho an’ny mpinatra eny Ambatomaro.

Comores – Madagascar : mihenjan-droa ny tady noho ny raharaha volamena sy fanafoanana sidina

0
Nandiso ny tenin’ny minisitry ny fitaterana Rolland Ranjatoelina ny mpitondra tenin’i Comores tamin’ny alalan’ny interview nataony ny 23 jolay lasa teo. Nomelohin’ny mpitondra tenin’ny governemanta Komoriana ny filazan’ny minisitry ny fitaterana Malagasy tamin’ny RFI fa ao anatin’ny Ligne rouge i Comores amin’izao fotoana io. Namafisin’ity mpitondra teny ity hatrany fa tsy mbola nisy hatramin’izao ny taratasy fangatahana nataon’ny fanjakana Malagasy mikasika ny fampodiana ilay volamena tratra tany Comores.

Mpiasan’ny orinasa Sofitrans : mitaky karama miverina 100% tsy tara

0
Tsy nandray karama feno efa ho 02 tao izao ireo mpiasan’ny sofitrans raha ny nambaran’ireo sendikan’ny mpiasa androany. Akoatra ny tsy fandrotsahina ny latsakemboka ara-tsosialy arakin’ny tokony ho izy, maro ireo zo fototrin’ny mpiasa izay tsy voahaja nanomboka tamin’ny taona 2020 raha ny fitarainana nolazain’ireo mpiasa tamin’ny mpanao gazety androany.

Fampiakarana karama: tsy mazava ny didim-panjakana hoy ny SSM

0
Tsy mazava ny didim-panjakana fampiarana ny fampiakarana karama izay nivoaka tamin’ny 21 jolay lasa teo raha ny nambaran’ny filoha ny SSM. Tsy voafaritra mazava ao amin’ity didim-panjakana ity hoy izy ny fampiakara-karama 9,9% ho an’ireo orinasa tsy miankina sy ny fampiakara-karama 25% ho an’ireo mpiasam-panjakana.

Mpanao lalana : orinasa manodidina ny 200 mbola tsy nahazo ny volany

0
Roa taona aty aoriana, Orinasa mpikojakoja sy mpanao lalana miisa 200 no mbola tsy nahazo ny volany. Araka izany niverina nanao hetsika fitakiana teo anoloan’ny Minisiteran’ny Asa vaventy izy ireo androany, ary mangataka ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara hanao sonia ny taratasy famoahana ny volan’izy ireo. Ny mahatonga ny antotan-taratasy ho eny amin’ny Fiadidiana ny Repoblika izay mbola mampametra-panontaniana ihany koa raha ny fitarainana voaray.