Accueil 2022 septembre

Archives mensuelles: septembre 2022

RAKOTONIAINA Andrianataratra Durujude Josafà : nolavin’ny sekoly tsy miankina iray nohon’ny maha-varira azy

0
Nolavin’ny sekoly tsy miankina iray eto an-drenivohitra ny fidirian’i RAKOTONIAINA Andrianataratra Durujude Josafà  na i Taratra hianatra ao aminy noho izy varira. Ho an’ity sekoly ity, mety hitarika amin’ny fikatonan’ny sekoly ny fisian’ity tovolahy varira ity ao amin’ny sekoly nohon’ny tahotry ny mpianatra raha ny fitataran’i Taratra izany.

Nosy Malagasy: hanampy an’i Madagasikara amin’ny fitakiana i Russie

0
Nankasitraka an’i Madagasikara manoloana ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny ady tao Russie sy Ukraine ny masohivoho izay miasa sy monina eto Madagasikara. Ankilan’izany, vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fitakiana ny Ile éparse i Rossia raha fanazavana hatrany. Manoloana io, nilaza ny manam-pahaizana momba ny fifadraisana iraisam-pirenena fa mambabo ireo firenena majinika ny Rosia amin’izao fotoana ka tsy tokony anova ny fanapahan-kevitra izay efa noraisina ny fanambarana natao.

Fanondranana vato sarobidy : niverina nisokatra nanomboka androany

0
Niverina nisokatra nanomboka androany ny fahafahan’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany manondrana vato sarobidy mankany ivelany. Mandringa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana hoy ireo mpandraharaha, antony, tsy mbola misy ny fahazon-dalana mitrandraka, noho izany ireo manana tahiry ihany no mahazo tombotsoa.

Antsalova : manjaka ny fanararaotam-pahefana ataona olom-boafidy iray

0
Olom-boafidy iray ao anatin’ny distrikan’Antsalova no voatonotonona ho manao fanararaotam-pahefana amin’ny endriny maro samihafa amin’izao fotoana izao araka ny fitarainana ataon’ireo mponina avy any an-toerana. Mampiseho ny fahalemen’ny fanjakana ny tsy fandraisana andraikitra amin’ny zavatra tahaka izany hoy ny Solombavambahoaka teo aloha iray.

Masoivohon’i Afrika atsimo : maniry ny hiverenan’ny fisokafan’ny lanitr’i Madagasikara amin’I Afrika Atsimo

0
Naneho ny faniriany ny hiverenan’ny sidina mivantana mampitohy an’i Madagasikara amin’i Afrika atsimo ny masoivohon’ity firenena ity, izay miasa sy monina eto androany. Mavesatra hoy izy ny fiantraikan’ny fikatonan’ny sidina indrindra ho an’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fizahantany.

RN2 : mitaraina ny mponina sy ireo mpampiasa lalana noho ny faharatsiany

0
Mitaraina ny mponina sy ireo mpampiasa lalana noho ny faharatsian’ny lalam-pirenena faharoa, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Isan’izany ny ao an-tampon-tananan’i Moramanga izay feno lavadavaka ka miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Tsy nisy vokany ankilan’izay ny baiko nomen’ny filoha hanamafisana ny fanaraha-maso ny vesatry ny fiara vaventy, noho ny fitokonana ataon’ireo mpiasan’ny Station de pesage.

Mbola Rajaonah : nataon’ny zandary fisavana ny trano fonenany androany

0
Nataon’ny mpitandron’ny filaminana fisavana na perquisition ny trano fonenan’i Mbola Rajaonah eny Ambohimahitsy androany. Ahiana mikasa hanongampanjakana na soupçonné d’atteinte à la sureté intérieure de l’état no anton’ny fisavana raha ny voalaza.

Betsingilo- Toliara II: Vehivavy mpandraharaha iray maty nisy nitifitra tao anaty fiarany

0
Nisehoana tranga vono olona ny tao amin’ny fokontany Betsingilo, kaominina Betsinjaky Distrikan’i Toliara faharoa omaly hariva. Vehivavy mpandraharaha iray no lasibatrizay vono izay ary lasan’ireo olondratsy avokoa ny vola tao anaty fiarany.

Fiangonana Jesosy Mamonjy : mizara roa ireo mpino tao Ankorondrano

0
Toerana roa androany no nahitana ny fivoriam-bavaky ny mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Ireo tsy mankasitraka ny voka-pifidianana, nitarika fihaonamben’ny mpino teny amin’ny fiangonana 67 ha. Tao ireo nijanona teny amin’ny foibe teny Ankorondrano.

TOAMASINA: sarona ireo mpiasa mpanao solika hosoka

0
Tratra ireo mpanao solika hosoka sasany ao Toamasina. Raha ny fanadihadiana, fampifangaroana ny solika fandrehitra amina karazana asidra maro samy hafa mba hitovy loko amin'ny gazole no hosoka nataon’ireo mpanao azy. Tsy fantatra mazava hatreto ny toerana hanapariahan’izy ireo ny solika efa misy izay fangaro izay.