Archives quotidiennes: 6 janvier 2023

VIDIM-BARY : mampijaly ny ankamaroan’ny Malagasy

0
Tafiakatra 950 Ariary amin’izao fotoana ny kapoakam-bary eny an-tsena amin’izao fotoana. Fiakaram-bidy izay mampitaraina ny ankamaroan’ny Malagasy raha ny fanadihadiana natao.

Tamberimbidy avy amin’ny fitrandrahana : manana ny anjarany ireo vahoaka eny ifotony

0
Manana anjara lehibe amin’ny tamberimbidy ny vahoaka amin’ireo kaominina hisian’ny tetikasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto Madagasikara hoy ny firaisamonim-pirenena. Mihantraika mivantana amin’ny fiainana andavan’andron’ireo mponina voakasiky ny tetikasa ny fitrandrahana ka antony tokony hanomezana ara-drariny ny tamberimbidy ho azy ireo, ho fampivoarana sy hanatsarana ny fiainana eny ifotony.

Banky foiben’i Madagasikara : asa telo lehibe no tena iantsorohan’ny governora vaovao

0
Azo sokajiana ho 3 lehibe ny asa miandry ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara vaovao hoy ny mpahay toekarena nanaovana fanadihadiana androany. Isan’ireny ny fijerena manokana ny fahamarinan-toeran’ny vidin-javatra fa ihany koa ny fampiroboroboana ny lafiny toekarena amin’ny maha tany andalam-pandrosoana an’i Madagasikara.

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa : tokony handroso vahaolana ho an’ireo tantsaha ny mpitondra

0
Tokony hanolotra vahaolana ho an’ireo tantsaha mpamokatra ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoan’ny maitso ahitra izao, hoy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Ireo tantsaha izay lasa mividy lafo ny vokatra novokariny noho ny fisian’ireo mpijirika sy mpaka tombony tsy voaara-maso, indrindra eo amin’ny vidim-bary.

Famakiana fiarakodia : mirongatra ary miha-mahazo vahana indray ankehitriny

0
Niverina nahazo vahana indray rehefa niato tato ho ato ny famakiana ireo fiarakodia sy koadiaran-droa. Maro amin’ireo olon-dratsy manao manokana izay ankehitriny no mampiasa karazana fanalahidy mety amin’ny rehetra na « Clé Standard » ka mora amin’izy ireo ny fandrobana ny fiara raha ny fanadihadiana.

UNICEF : mitaky ny hamerenana ny vola maherin’ny 3 miliara Ariary novatsiany

0
Mitaky ny hamerenana ny Vola novatsiany teo anelanelan’ny taona 2014 hatramin’ny 2019 ny tahirim-bola ny firenena mikambana ho an’ny zaza na ny UNICEF raha ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra omaly. Ankilany, nilaza ny manam-pahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenna fa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ireo rafitra mpanara-maso ka antony fitakiana famerenam-bola ataon’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola ankehitriny.