vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 16 janvier 2023

Alaotra Mangoro : miandradra orana artifisialy ireo tantsaha

0
Ny orana artifisialy ataon’ny fanjakana no andrandraisn’ireotantsaha mpamboly vary ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro amin’izao. Efa misasaka hoy izy ireo ny volana janoray, nefa mbola tsy afaka miasa tanimbary izy ireo . Raha tsy misy ny vahaolana ahiana ho kely ny vokabary amin’ity taona ity raha any amin’iny faritra iny.

SISAONY : nanimba ny fambolen’ireo mponina ny fefiloha vaky

0
Simba ny fambolen’ny mponina etsy Anosizato andrefana taorian’ny fahavakisan’ny fefilohan’ny sisaony raha ny fanazavana. Ny fanamboarana ity fefiloha ity izay tsy mbola manomboka hatramin’izao, herintaona taorian’ny fahavakisany.

FJKM : manasarotra ny olana politika eto amintsika ny fisian’ny hala-bato

0
Manasarotra ny olana politika eto Madagasikara ny fisian’ny hala-bato, hoy ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Filoha mpanampy – Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, nandritry ny fanompoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM mianakavy sy ny taom-piasana 2023, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe androany.

Lac Anosy : manana ny tantarany manokana

0
Ny tantaran’ny Lac Anosy indray no ho entina aminao anatin’ity fanadihadiana manaraka ity. Ny Lac Ansoy izay isan’ny mampiavaka ny tanànan’Antananarivo ihany koa saingy vitsy no tena mahafantatra ny tantarany.

FJKM : manana adidy hanoro sy hananatra ny Fiangonana

0
Manoloana ny toriteny izay natoan’ny mpitandrina teny Antsonjombe, nanamafy ireo mpitondra fiangonana sy mpino FJKM fa manana adidy hampianatra, hanoro sy hanitsy ny Fiangonana raha misy tsy mety. Nanamafy ankilan’izay ny Filohan’ny FJKM fa ho taonan’ny Finoana, taonan’ny Asa ary ho taonan’ny Fankatoavana ity taona 2023 ity.