vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 janvier 2023

Mpitatitra fiara vaventy : manome 05 andro hahazoana valinteny mahafa-po

0
Manome 5 andro ny fitondram-panjakana hamaliana ny fangatahany ireo ny fikamban’ny mpitatitrafiara vaventy. Hiverina hitokona izy ireo ny Alakamisy ho avy raha tsy mivaly ny fangatahana.Ankoatry ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa, takian'izy ireo ihany koa ny fanamboarana nyRN4, RN6, RN, RN7, RN34.

Hala-bato : niteraka krizy maro teto amin’ny firenena

0
Nazava ny hafatra nomen’ny fiangonana FJKM ho an’ireo mpitondra nifanesy sy ny mpitondra amin’izao fotoana mahakasika ny fiomanana sy ny fiatrehana ny fifidianana eto amintsika, indrindra ny resaka hala-bato. Ny hala-bato izay niteraka Krizy teto Madagasikara, raha ny tantara no jerena, ka nahatonga ny firenena hitotongana tahaka izao iainantsika ankehitriny izao.

Antsiranana faha-II : miaina anaty fahasahiranana vokatry ny faharatsian-dalana

0
Miaina anaty fahasahiranana noho ny faharatsian-dalana ny mponina mipetraka ao Antsiranana faha-II, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Isan’izany ny ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Joffre Ville, toerana mpamokatra litchis ary mamatsy ny mponin’Antsiranana.

SSM : tsy nisy nivaly ny taratasy fangatahana natao tamin’ny Filoham-pirenana

0
Tsy nisy nivaly ny fangatahana nalefan’ny SSM na ny solidarité syndicale de Madagascar tany amin’ny Filohan’ny Repoblika raha ny tatitra androany. Isany votoatin’ny taratasy nalefan’izy ireo tamin’ny filohan’ny repoblika ny fampiharana ny fampiakarana karama farany ambany, ny famahana ny olana manodidina ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa isan-tsokajiny mivondrona anatin’ny sendika ary ny fisotron’dronono.

BENETSY : mitaraina noho ny tsy fisiana ireo mponina any an-toerana

0
Mitaraina noho ny tsy fisiana ireo mponina ao Benetsy, Faritra Atsimo Andrefana amin’izao fotoana. Misy ny fanampiana ataon’ny mpitondra fanjakana hoy izy ireo saingy tsy tonga ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana izany, ka anaovan’izy ireo antso avo.

UNDD : sarotra ny hanantena fa ho tanteraka amin’ity taona ity ny fifidianana

0
Sarotra ny hanantena fa ho tanteraka ny fifidianana izay hirosoantsika amin’ity taona 2023 ity, hoy ny teo anivon’ny antoko UNDD, na ny Union Nationale pour la Démocratie et le Développement. Manahy mafy ny mety hisian’ny Krizy vaovao, hanamafy ny krizy efa hita soritra amin’izao fotoana ihany koa ny antoko.