Accueil 2023 mars

Archives mensuelles: mars 2023

SIF : hametraka paikady hampihena ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara

0
Hametraka paikady hampihena ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara ny SIF na ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananan-tany. Isan’izany ny tetikasa JERITANY izay natao hakana sy hanovozana ny olan’ny mponina eny ifotony mikasika ny fananan-tany.

RAHANTANIRINA Lalao : karapanondro maherin’ny 1 000 no nangoniny

0
Karapanondro maherin’ny 1 000 no nangonin’ny Solombavambahoakan’i Mahajanga, RAHANTANIRINA Lalao tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Ireo hiditra ho mpikambana TGV ny tompony raha ny nambarany. Ny karapanondro izay isan’ny taratasy saropady ary ahavitana zavatra maro, indrindra amin’izao taom-pifidianana izao hoy ny mpanara-baovao ka tokony ho malina ny rehetra.

Ody gasy : nisy nanota fady, nahatonga ireo famoizan’aina maro nandritra ny tolom-panafahana

0
Nisy nanota ny fady ka nahatonga ny famoizana aina Malagasy maro nandritra ny tolom-panafahana  araka ny nambaran’ireo mpandalina ny fomban-drazana sy ny tantara. I Madagasikara izay tsy handroso raha tsy miverina andoharano raha ny fanehon-kevitr’izy ireo androany teny amin’ny Anjerimanontolo.

Vontovorona : tsy mivahana ny olana, mitohy ny grevin’ireo mpianatra

0
Nitohy hatramin’ny androany ny grevy ho an’ireo mpianatry eny amin’ny Polytechnique Vontovorona manoloana ny fitakiana ny vatsim-pianarana sy ny equipement ary ny fijenena vahaolana manoloana ireo olan’ny mpianatra amin’ny an-davan’andro. Mitaky omby amin’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ireo mpianatra ho fialantsiny tamin’ny famakiana ny Franchise Universitaire nandritra ny Grevy ny herinandro lasa teo.

Lisi-pifidianana :  ny « doublons » no nasian’ireo mpanara-maso resaka

0
Ny tsy fanatomombanana eo amin’ny fandraisana ny anarana eny ifotony mahatonga ny doublons no isan’ny olana nasongadin’ireo  mpanara-maso ny fanavaozanana tanteraka ny lisi-piridianana teny amin’ny CENI androany. Ny faha-10 ny volana aprily ho avy izao no hivoaka ny lisi-pifidianana vonjimaika   raha ny fanazavana.

FFKM : miantso ny Malagasy rehetra handray anjara amin’ny fifidianana

0
Miantso ny vahoaka Malagasy manontolo handray anjara feno amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana, ny eo anivon’ny FFKM. Ny FFKM izay miroso amin’ny fihaonam-be voloahany ao anatin’ny 3 andro. 

29 MARS 1947 : feno 76 taona ny tolom-panafahana

0
Feno 76 taona androany ny nisian’ny tolom-panafahana na tolona nataon’ireo maherifo Malagasy hoan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara. Nisy araka izany ny fametrahana fehezam-boninkazo sy ny lanonana ara-miaramila teny amin’ny fasan’ny mahery fo teny Avaratr’Ambohitsaina, Mausolée ho mariky ny fahatsiarovana azy ireo izay notarihinny filohan’ny repoblika. Nisy ihany koa ny fametrahana fehezam-boninkazo teny amin’ny tsangambato Ambohijatovo taorian’izay.   

Commune Rurale Amboditandroho: mandoa hetran’omby tsy misy rosia ny mpiompy

0
Miaina ao anaty tebiteby sy tahotra ireo mpiompy omby ao anatin'ny commune Rurale Amboditandroho ao anatin'ny distrikan'ny Toamasina faha-2 iny vokatry ny fiasan'ny tompon'andraikitra amin'ny fikirakirana taratasin'omby, tsy voafaritra mazava ny vola takiana ary tsy mahazo rosia ihany koa ireo izay mandòa vola.

29 Mars ANTSIRABE I : nahilika ny Solobavambahoaka avy amin’ny Antoko TIM

0
Tsy navela nametraka Fehezam-boninkazo niaraka tamin’ireo manam-pahefana tao Antsirabe ny Solobavambahoaka vofidy tao amin’ny disitrikan’Antsirabe I avy amin’ny antoko TIM io maraina io nandritra ny fanamarihana ny andron’ny 29 martsa tany an-toerana. Fanaovana tsinontsinona ny vahoak’Antsirabe sy endrika ambadika politika ny toy izao raha namarabaran’ity solombavambahaoka ity rehefa nitafa tamin’ireo mpanao gazety.

Kaominina Bembary : efa miasa ara-dalàna ny CSB ao amin’ny Fokontany Mandrota

0
Mamaha ny olam-bahoaka ao amin’ny fokontany Mandrota kaominina Bembary ny fametrahan’ny kaominina sy ny mpiara-miasa amin’ny loholon’i Madagasikara avy amin’ny antoko Malagasy Miara Miainga ao amin’ny faritanin’i Toamasina ny tobim-pahasalamana ambaratonga fototra ao an-toerana. Afaka manaraka fitsaboana eo anivon’ity tobim-pahasalamana ity avokoa ny rehetra amin’izao fotoana izay taorian’ny iray volana nahavitany.