Archives quotidiennes: 16 mars 2023

Fanomanana ny fifidianana : ilana politika mazava hisorohana ny olana mety hiseho

0
Mampanahy ny mahakasika ny fanomanana sy ny fiatrehana ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity, hoy ny mpahay toekarena Hugues RAJAONSON nanaovana fanadihadiana androany. Hita taratra ankehitriny fa tsy manana fahavononana hiatrika fifidianana ny fitondram-panjakana mijoro. Hisy akony goavana eo amin’ny lafin’ny ara ekonomika ny zava-misy raha ny fanazavany.

MINISTERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA : nakaton’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany ny toeram-piasan’ireo mpiasa

0
Nitokona ary nilanja sora-baventy nanaloana ny birao fiasany ireo mpiasan’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana androany. Antony ny tsy fanekena ny fanesoran’ny ministeran’ny fanajariana ny tany azy ireo sy ny nanakatonana ny birao fiasan’izy ireo omaly. Tsy manaiky ny famindrana azy ireo ho any amin’ny tranon’olotsotra ireo mpiasa raha ny fanambarana niarahan’izy ireo androany.

Antoko AVI : miovaova ny foto-kevitra ijoroany

0
Miovaova tahaka ny mahazatra hatriazay ny foto-kevitra ijoroan’ny antoko AVI amin’izao fotoana. Manaporofo izany ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny Antoko teo aloha, RATSIRAHONANA Norbert Lala, nandritry ny fihaonana nokarakarain’izy ireo tao Toliara.

Sambo rendrika tao Ambilobe : tafiakatra 34 ireo namoy ny ainy

0
Tafiakatra 34 ankehitriny ireo namoy ny aina vokatry ny faharendrehan’ilay sambo nikasa hitondra olona antsokosoko ho any Mayotte. Ny andron’ny omaly, razana 11 no hita faty tao Nosy Faly ao anatin’ny distrikan’Ambanja. Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ireo fokonolona sy ny manampahefana.

Toamasina : nijoro vavolombelona mikasika ilay zaza 04 taona ny fianaviany

0
Tsy marina ny filazana niely tao anaty tambajotra serasera Facebook nilazana fa nalefa irery toy ny colis ilay Zaza lahy 04 taona hita faty omaly niaraka tamin'ireo razana 11 tao Nosy Faly, nilaza ny dadabeny any Toamasina fa niaraka rendrika tamin'iny reniny io Zaza io fa saingy mbola tsy hita ny Razana hatreto.

Toliara : mbola miaina anaty rano ny ankamaroan’ny mponina hatramin’ny androany

0
Mbola miaina ao anaty fotaka sy rano maloto ireo mponina ao Toliara hatramin’izao, taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza Freddy farany teo. Maro ny karazana aretina sy fahavoazana mitranga vokatr’izany raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny Fokontany voakasik’izay.

Tsy maty manota

0
Ady amin’ny tsy maty manota : mila atao 100 % ny famoahana ny « Autorisation de poursuite » Vitsy ny minisitra manana fahasahiana manao sonia Autorisation de poursuite na fahafahana manenjika ireo tomponandraiki-panjakana ambony eny anivon’ny minisitera tsirairay. Isany manamafy ny fisian’ny tsy maty manota eto amin’ny firenena ny momba izay hoy ny filohan’ny CSI na ny Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité androany nandritra ny dinika niresahana momba ny fisitrahana ny fiarovana manokana na ny Immunité sy ny resaka tsy maty manota. Ny famoahana ny Autorisation de poursuite izay tokony ho 100 % raha misy ny fahavononana hampihatra izay Tolérance Zero izay amin’ny ady amin’ny kolikoly.