vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 22 mars 2023

INGENIEURS INFORMATIQUE : tsy misy « audit » vita iray andro izany

0
Tsy misy « audit » na fitsirihina vita ao anatin’ny iray andro izany raha tena manao ny asany ireo Testeur hoy ireo INGENIEURS INFORMATIQUE nanaovana fanadihadiana  androany. Maro ireo mpitsopitsony mila jerena raha ny resaka lisi-pifidianana ataon’ny CENI no ho tsirihina ary fahafaha-keliny herinandro no ilaina raha ny fanazavana.

GEOMETRE EXPERT : tokony omena lanja amin’ny fanorenana rehetra atao

0
Ny tsy fanomezana lanja ny « mpandrefy tany mpahay raha » no mahatonga ny fanorenana tsy ara-dalàna maro misy manerana ny Nosy hoy ny filohan’ny holafitry ny Géomètre expert androany. Izy ireo izay tokony hialoha lalana amin’ny fanorenana fotodratr’asa rehetra saingy tsy mbola izay ny zava-misy hatramin’izao.

FANAVAOZANA NY LISIM-PIFIDIANANA : maro ny ahiahin’ireo antoko politika amin’ny dingana rehetra natao   

0
Nanamafy ny ahiahiny manoloana ny tsy fahatomombanana maro tsikaritra ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana ireo antoko politika tonga namaly ny antson’ny sehatra mpanara-maso ny fifidianana Safidy androany. Anisan’ny feo niraisan’ireo mpanao politika ny hoe azo antoka hanatontosana fifidianana ve io lisitra vaovao izay mbola kirakiraina hatramin’izao io. Fanontaniana izay tsy mbola nisy valiny hatreto.

SOS Vanille : mitaky ny hanafoanana ny CNV sy ny fanalalahana ny sehapihariana

0
Nanome fe-potoana 72 ora ny fitondram-panjakana indrindra ny minisiteran’ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana hanafoana ny CNV na ny Conseil National de la Vanille sy ireo fepetra isan-tokony tsy mampisy ny fanalalahana ny sehapihariana lavanila ankehitriny ny SOS Vanille, izay vovonana ivondronan’ireo mpisehatra any amin’ny faritra SAVA, araka ny fanambaran’izy ireo androany. Efa maherin’ny 5 arivo hatramin’ny androany ireo nanao sonia ny fanambarana ary manaiky ny firosoana amin’ny hetsika mafimafy kokoa raha tsy misy valiny mahafapo avy amin’ny fanjakana.

Taom-baovao Malagasy : nanomboka androany ny fankalazana

0
Tontosa ny nanomboka ny hariva teo tetsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina ny alin'ny fifohazana handraisana ny Taom-baovao Malagasy. Nisy nandritra izany ny fandraisana ny afo tsy maty. Teo koa ny hetsika samihafa niarahan’ny vahoaka niara-nifaly.

COVID-19 : tokony hapetraka sy harahina hatrany ireo fepetra sakana

0
Tsy nahaliana ny ankamaroan’ny Malagasy hatramin’izao ny firosoana amin’ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19. Mbola misy ary mitoetra eto amintsika ankilany ny valan’aretina ary betsaka ireo marary ahiahiana hitondra azy tonga manao fizaham-pahasalamana eny anivona mpitsabo tsy miankina iray raha ny fanadihadiana natao.