Archives quotidiennes: 14 avril 2023

Toamasina : niverina nanao fitokonana ireo mpitondra « tuc tuc »

0
Niverina nanohy fitokonana teo amin’ny torapasika anoloan'ny Auximad ireo mpisehatra amin'ny Tuc Tuc ao Toamasina androany. 3 Andro taorian'ny fetin'ny Paska izay tsy namelana azy ireo hitondra Tuc Tuc hivoaka ny faritra, hitsangatsangana miaraka @ ankohonany.

Fitondram-panjakana : mahita hevitra hanilihana hatrany ny andraikiny

0
Mitady hevitra hatrany ny fanjakana ialana amin’ny olana misy ankehitriny. Tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly, ny Rafitra  no lazaina fa olana, mahatonga ny fahasimban’ireo lalana sy tsy nahafahana nanefa ny volan’ireo orinasa mpanao lalana hatrizay.  Miala andraikitra ny fitondrana hoy ny mpitondra tenin’ireo orinasa mpanao lalana androany.

OMDA : voatendry ho tale vaovao i RARIVOJAONA Joelinirina Nomenasao

0
Voatendry ho tale jeneraly vaovao eo anivon’ny OMDA ankehitriny i RARIVOJAONA Joelinirina Nomenasoa raha ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly. Andrasana ankehitriny ny famahana ny olana ny amin’ny fandoavana ny vola ho an’ireo mpanakanto izay niato nandritran’ny herintaona mahery eo anivon’ny OMDA raha ny nambaran’ny mpanakanto Samoela. Eo koa ny fanohizana ny fandaniana ny Tolo-dalàna momba ny zon’ny mpamorona eny anivon’ny Antenimierandoholona.

Pr RATSIMBAZAFY Jonah : leo kabary ambony latabatra ataon’ny mpitondra fanjakana

0
Lamandy 40 000 Ariary sy sazy mihatona herintaona no azon’ilay mpihaza sy mpamono varika tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra araka ny didy navoakan’ny fitsarana tany an-toerana. Tranga izay maneho ny tsy fahavononan’ny mpitondra hiaro ny tontolo iainana hoy ny filohan’ny GERP, Pr RATSIMBAZAFY Jonah androany, ka andraisany ny minisiteran’ny tontolo iainana ho mpiray tsikombakomba raha mitazam-potsiny ity raharaha ity.

PIF TIC – CNFPPSH : tanora miisa 119 nisitraka fiofanana mikasika ny TIC

0
Tanora miisa 119 ankehitriny ny nahavita fiofanana mikasika ny TIC na ny Technologies de l'information et de la communication teo anivon’ny toeram-pampiofanana CNFPPSH Ampandrinomby. Tanjona amin’izany ny fampitomboana fahalalana sy traikefa ho an’ireo tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa amin’ny alalan’ny teknolojia.

Fanjakana Malagasy :  manitsakitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena hoy ny Randrana Sendikaly

0
Manitsakitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa ny Fanjakana Malagasy hoy ny Randrana Sendikaly raha nitaky ny hamoahana ny naman'izy ireo izay naiditra am-ponja noho ny tolona ara-tsendikaly nataony. Fanampin'izay, misy tsy mazava hoy izy ireo ny famonjana io mpitolona Sendikaly io ka angatahana fandraisana fepetra noho ilay raharaha hanala baraka ny Firenena Malagasy eo imason'izao tontolo izao.

Filoham-pirenena – SAVA : tsy namaha ny olan’ny lavanila ihany no anton-diany

0
Nidina tany amin’ny faritra SAVA androany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA. Raha hamaha ny olan’ny seha-pihariana lavanila no anton-dia, hetsika politika no hita araka ny horonantsary miparitaka amin’ny tambazotran-tserasera, ary nisongadina ny logo volomboasary nandritra ny fotoana.

Observatoire de la jeunesse: trangana famonoan-tena 15 no hita tao anatin’ny iray volana

0
Maro ny antony mahatonga ny tanora miroso amin’ny famonoana tena. Anton’izany ny olana sedrain’izy ireo eo amin’ny fianakaviana na eo amin’ny fitiavana. Ahitana tranga famonoana tena betsaka indrindra ny faritra telo eto Madagasikara, anatin’izany ny faritra Analamanga, Amoron’i Mania ary Analajirofo.