mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 avril 2023

Fitsinjaram-pahefana : ahafahana manome asa, miteraka fampandrosoana

0
Tsy misy antoka omen’ny fanjakana ho an’ireo te hampiasa vola eto Madagasikara, antony tsy hisian’ny famoronan’asa eto amintsika hoy ny Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga nandritra ny fihaonan tamin’ireo mponina tao Maintirano. Ireo orinasa efa mijoro, hanaovana antsojay amin’ny endriny maro samihafa. Vokany, ambony ny tahan’ny tsy fananan’asa, izay mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana.

Lalana mihazo an’i Maintirano : mampikaikaika ireo mpampiasa lalana

0
Mitombo avo roa heny ny fotoana lany eny ambony taxibrousse vokatry ny faharatsian’ny lalana mihazo an’i Maintirano amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Misy any an-toerana ny fitaovam-panjakana ahafahana manamboatra izany saingy tsy ampiasaina amin’ny tokony ho izy ka simba am-pitoerana. Manao antso manoloana izany ireo mpampiasa lalana noho ity distrika ity adinon’ny fanjakana.

Antoko Malagasy Miara-Miainga : tsy ny fanjakana foibe no mahita ny olana eny ifotony

0
Notanterahana androany tany Maintirano, renivohitry ny faritra Melaky ny fivoriana narahina ady hevitra niarahana tamin’ny filoha naionalin’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, Hajo Andrianainarivelo, ny biraon’ny MMM eny ifotony ary ireo olom-pirenena liana amin’ny fitsinjaram-pahefana, entina mampandroso ny firenena. Fotoana izay nampitandreman’ny filohan’ity antoko ity ireo olom-boatendry manao fanaparam-pahefana.

Kaominina Andakana : efa miriharia sahady ilay jiolahy nahafaty raim-pianakaviana iray

0
Efa miriharia ao amin’ny kaominina Andakana anatin’ny distrikan’i Vondrozo sahady ankehitriny ilay jiolahy izay namono nahafaty raim-pianakaviana iray NY VOLANA Martsa lasa teo. Mampametra-panontaniana ny zava-misy hoy ny mponina sy ny ben’ny tanàna ao an-toerana. Miaina ao anatin’ny tebiteby ny mponina ary matahotra ny mety hisian’ny valifaty.

Volavolan-dalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany : mampitaraina ny mpandraharaha ny fanaovana ny fandoavam-bola ho « CREDOC »

0
Na teo aza ny fakan-kevitra natao tamin’ny famolavolana ny volavolan-dalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany, maro ny teboka tsy ankasitrahan’ny mpandraharaha ao anatin’izay. Isany nanaitra ny fandoavana ny vola rehetra amin’ny fifampivarotana ny vokatra harena an-kibon’ny tany ho CREDOC avokoa raha REMISE LIBRE izany teo aloha. Ny CREDOC izay fomba fandoavam-bola hanasoratra ny fifampivarotana ka hivadika olana toy ny Droit de sortie indray hoy ny teo anivon’ny FOMM na ny Féderation des Opérateurs Minier Malagasy.

Fitondrana : ny tsy mety tany aloha ihany no averina

0
Tsy manana politika mazava hitantanana ny firenena ny fitondrana ankehitriny, saika ireo fomba fanao tsy nety tany aloha no averiny amin’izao fotoana. Tsy misy ihany koa ny « continuité de l’Etat » hoy ny filoha lefitry misahana ny raharaha ara-barotra eo anivon’ny GEM.

Lisi-pifidianana : nihena 20% ny mpifidy tao amin’ny Fokontany Antanimena

0
Ireo fahadisoana amin’ny anaran’ny mpifidy no misy ao amin’ny lisitra vonjy maika ho an’ireo olom-pirenena manamarina anarana eny amin’ny Fokontany raha ny fanadihadiana natao androany. Ao amin’ny Fokontany Antanimena, nahitana fihenana 20% ny mpifidy voasoratra anarana oharina tamin’ny lisi-pifidianana ny taona 2022 hoy ny sefo fokontany.