26 jona 1960 – 26 jona 2022 : feno 62 taona androany ny niverenan’ny fahaleoantenan’i Madagasikara

0

Ny Malagasy, ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena no tomponandraikitra voalohany amin’ny fahantran’ny firenena hatramin’izao faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i izao, raha ny fanehoan-kevitry ny mpahay tantara akademisiana Ranjatohery Harilala. Raha hiverenana kosa ny tantara, fahaleovantena ara-taratasy ihany amin’ny ankapobeny ny niandoahan’ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny 26 jona 1960. Nanomboka tTany amin’ny taona 1970 kosa no nanomboka taratry ny Malagasy ho nahaleo tena kokoa ny firenena.