Fitakiana ireo Nosy Malagasy : amin’ny faha-9/10/11 desambra ho avy izao ny fihaonambem-pirenena

0

Taorian’ny fihaonana voalohany teo amin’ny solontena Malagasy sy Frantsay ny amin’ny hamerenana ireo Nosy Malagasy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana iny dia ho tontosaina amin’ny faha-9, faha-10 ary faha-11 desambra ho avy izao ny fihaonambem-pirenena hakana ny hevitry ny Malagasy amin’ny hamerenana ireo Nosy ireo ho an’i Madagasikara.