Taom-pambolen-kazo : nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany

0

Hazo miisa 2 hetsy sy 1 Tapitrisa no novolena tany amin’ny distrikan’Ankazobe androany. Fotoana nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2020 ary fotoana nanamarihana ihany koa ny faha herintaonan’ny fianianana nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teny Mahamasina. Madagasikara maitso no tanjona hoy ny filoha Andry RAJOELINA.