Mpampanofa vatana : tsy mbola nahazo ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana

0

Tsy mbola nahazo ny fanampiana avy amin’ny tomponandraikitra ireo mpampanofa vatana teto andrenivohitra ho an’ny androany alakamisy. Antony mahatonga izany ny fisian’ny fandaminana mikasika izany, eo ihany koa ny fanangonana ireo anarana sy ny taratasy manamarina ireo mpampanofa vatana ireo.