Ambovombe Androy : tsy mponina ao an-toerana ilay namoy ny ainy

0

Nazava ny tenin’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena manoloana ny raharaha Ambovombe Androy. Olona nafaran’ny solombavambahoaka hanakana ny tetikasan’ny filoham-pirenena ireo nifandona tamin’ny mpitandro filaminana omaly. Nohamafisiny hany koa fa ny ben’ny tanàna tamin’izany fotoana no nivarotra ny tany. Ary nanamafy hatrany ny zandary fa tsy nesorina amin’ny hery ireo olona ireo fa efa nisy fijerena manokana azy ireo.