Tsy maintsy havaozina hifanaraka amin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra ny fitantanana ny valanjavaboahary eto Madagasikara. Hapetraka mazava ny bokin’andraikitra hifehezana ny fitantanana. Isany hojerena manokana ny tamberim-bidy azo avy amin’ny valan-java-boahary izay mety hiafara amin’ny fanesorana ny tomponandraikitra tsy mahomby aorian’ny fanaovana tombana.