Malagasy miisa 800 000 no ezahina ho vita vakisiny amin’ity taona 2021 ity. Azon’ny rehetra ato ny mandeha any amin’ny firenena europeanina na tsy vita vakisiny, fa misy ny fepetra izay napetraka. Misy ihany koa amin’izao ny fijerena ny fampidirana ny vakisiny covishield. Omaly nitondra fanazavana mahakasika ny fanambarana nataon’ny masoivoha frantsay amin’ny tsy feneken’izy ireo ny vakisiny covishield izay azo tamin’ny « initiative covax » ny praiminisitra lehibe ny governemanta.