Tsy dia niova fa toy ny isan-taona ny fankalazana ny datin’ny 19 mars tao FIANARANTSOA izay tsy ahitana firy intsony ireo bekotro maroholatra. Mitoetra anefa ny tantara ka Tsangambato roa no manan-tantara natokana ho an’ireo mahery fon’ny firenena eto Fianarantsoa, izay samy nomena ny hajany avokoa tamin’ity andron’ny androany ity.