Manana 20 andro aorian’ny fahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany ankehitriny ny olom-pirenena hanao ny fitsirihana sy ny fanintsiana ny momba azy anaty lisim-pifidianana nofarana vonjimaika nanomboka androany raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny CENI. Mahatratra 70,80% ny tanjona napetraky ny CENI hatreto ny tahan’ny olom-pirenena tafiditra anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana.