Tanora miisa 119 ankehitriny ny nahavita fiofanana mikasika ny TIC na ny Technologies de l’information et de la communication teo anivon’ny toeram-pampiofanana CNFPPSH Ampandrinomby. Tanjona amin’izany ny fampitomboana fahalalana sy traikefa ho an’ireo tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa amin’ny alalan’ny teknolojia.