Vondrona Eoropeana : Manampy azy ireo handray andraikitra ny fanairana nataon’ny MMM.

0

Tsy azo ekena ny fitrosana tsy mitondra voka-tsoa amin’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy noho ny fanodikodinam-bola ataon’ny tomponandraiki-mpanjakana eto amintsika hoy ny filohan’ny antoko Malagasy miara-miainga, nitondra fanazavana mikasika ny taratasy misokatra nalefan’izy ireo ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Manampy ny mpamatsy vola amin’ny fanapahan-kevitra tokony raisin’izy ireo ihany koa izany fanairana izany raha ny nambaran’ny solontena maharitry ny vondrona Eoropeana.