Seranam-piaramanidina Ivato : Kolonely iray nanapatra fahefana tamin’ny mpiasan’ny fadintseranana.

0

Namoaka fanambarana ny Sendikan’ny mpiasan’ny Douanes omaly.  Antony, Kolonely iray nilaza ho olona akaiky ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena no nandrahona sy nanivaiva ny mpiasan’ny fadintseranana. Avy hatrany dia nentiny ihany koa ireo vehivavy 2 tratra nitondra volamena ho any Nairobi, ny alahadin’ny Pantekoty, faha 04 ny volana Jona lasa teo. Tsy ekena ny tranga tahaka izany hoy ny mpiasan’ny fadintseranana.