Fonja maro manerana an’i Madagasikara no ahiana ho rodana na hisy fahasimbany noho ny tsy fisian’ny fanavaozana azy ireo an-taonany maro, toa ny nitranga tao Antsohihy ny faran’ny herinandro lasa teo. Mahatratra 50 taona mahery no tsy nisian’izay fanavaozana izay amin’ireo ankamaroan’ny fonja eto Madagasikara.