Sendikan’ny mpiasam-panjakana : mitaky ny fanefana ny karaman’izy ireo ao anatin’ny 48 ora

0

Mitaky ny fanefana ny karaman’izy ireo ao anatin’ny 48 ora ireo mpiasam-panjakana mivondrona ao anatin’ny SSM na ny Solidarité Syndicale de Madagascar. Tsy eken’izy ireo ny fanapahana ny karaman’ireo mpiasa tao anatin’ny volana vitsivitsy izay. Mpikambana maro ao anatin’ity sendika ity no nilanja sora-baventy maneho izay fitakiana izay nanoloana ny ministeran’ny fitatanam-bola sy ny teti-bola.