Atrik’asa K3F : mila mijoro mitondra fiovam-penitra mahery vaika

0

Nosokafana omaly maraina ny atrik’asa nasionaly karakarain’ny Komitin’ ny Fahamarinana, Fandriampahalemana ary Fiadanana, na isy aza ny fanakanana nokasain’ny mpitandro filaminana natao. Mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny fiainampirenana, manodidina ny 800 no nisoratra anarana mandray anjara ami’io atrik’asa io. Anio ny fehinkevitra no havoaka aorian’ny atrik’asa, ary hatolotra ny FFKM hijerena vahaolana eto amin’ny firenena.