Lalana mampitohy an’i Antananarivo sy Toamasina : an-dalana ny drafi-panajariana

0

Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny seranatsambon’I Toamasina, mitohy ny famolavolana ny drafi-pampandrosoana sy drafi-panajariana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Notontosaina androany tetsy Anosy ny famaranana ny atrikasa andaniana ny volavolan-kevitra sy ny tondrozotra mikasika izany niarahana tamin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny asa vaventy ary ny toeram-ponenana.