« Stationnement » Ambodivona : hafindra eny amin’ny « Gare Routière Maki » ny 20 septambra

0

Nivoaka ny taratasy fampahafantarana ny mpandeha fa manomboka ny 20 Septambra ho avy izao eny amin’ny Gare Routière Maki avokoa ny fiaongana sy ny fahatongavana ho an’ireo mpandeha ny zotra RN 2 sy RN 5. Ampy handraisana ireo Kaoperativa ireo ny Gare Routière Maki hoy ny tomponandraikitra ary efa vonona ny toerana.