Ambatondrazaka : nidina ny vidim-bary eny amin’ireo tantsahampamokatra

0

Na teo aza ny fahatsaran’ny voka-bary tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka tamin’ity taona ity, nihamora ny vidiny izay hakan’ireo mpanangom-bokatra azy eny amin’ireo tantsaha mpamokatra raha ny zava-misy any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tsy voahaja ny fepetra napetraky ny Minisiteran’ny varotra hoy ny Solombavambahoaka avy any an-toerana.