Antananarivo renivohitra : 30 000 ny trano fonenana vita fanisana hatreto

0

Mbola 1/5 ny trano fonenana tombanana miorina anatin’ireo boriboritany 5 eto an-drenivohitra no voaisa amin’ny alalan’ny tetikasa Fanisana Trano 2021 hatreto. Na izany na tsy izany, manomboka hita soritra tsikelikely ny fiovan’ny endriky ny tokantrano malagasy sy ny toetoetry ny tao-trano amin’ny ankapobeny. Manentana ny rehetra handray ireo mpanisa araka ny tokony ho izy ny kaominina ahazoana antontan-kevitra sy terehimarika mari-pototra.