Antananarivo renivohitra : miverina indray ny fanotofana tsy ara-dalàna

0

Amin’izao ankatoky ny fampielezan-kevitra izao, miverina ary mihamahazo vahana indray ny fanotofana tany tsy ara-dalàna eto Antananarivo renivohitra. Ohatra miharihary amin’izany ny eny amin’ny zone de recasement Ankorondrano. Manoloana izany anefa, mitazam-potsiny ary mifanilika andraikitra ny mpitondra sy ireo tomponandraikitra.