« Assemblée genérale – « VMMM : notanterahina androany.

0

Notanterahina androany ny fivoriam-be fanao isan-taona ho an’ny fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga. Ho tohizana ary ho hatsaraina hatrany ny asa fanasoavana vahoaka ary hiitatra amin’ny sehatra vaovao izany. Nisy ny fizarana traikefa sy ny fizarana mari-pankahasitrahana ary ny fifidianana izay ho filohan’ny fikambanana sy ireo mpikambana handrafitra ny birao nasionaly.