« Caméra de surveillance » : hasiana avokoa ireo faritra mena eto Antananarivo Renivohitra

0

Hametrahana « Caméra de surveillance » ireo toerana rehetra anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana eto Antananarivo renivohitra hoy ny teo anivon’ny OTME. Maro ireo vokatra efa azo hatreto, na teo amin’ny fifamoivoizana na ny tsy fandriam-pahalemana raha ny tatitra voaray.