Centre d’Immatriculation de Madagascar : hiverina hisokatra manomboka rahampitso

0

Hiverina hisokatra manomboka rahampitso ireo Centre d’Immatriculation de Madagascar rehetra manerana ny Nosy rehefa nikatona nandritra ny 2 volana mahery. Ireo antontan-taratasy efa eo am-pelatanana no hikirakirana ao anatin’izany ary ferana ho 50 isan’andro ny olona raisina noho ny fisian’ny valan’aretina eto amintsika.