Claudine RAZAIMAMONJY : mbola voatazona eny amin’ny BIANCO

0

Taorian’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fitsarana  amin’ny famoahana ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena Claudine RAZAIMAMONJY, raikitra ny korontana sy ny torabato teny amin’ny biraon’ny Bianco Ambohibao, nitaky ny famoahana azy. Etsy ankilany, na tapitra aza ny 48 ora nitazomana azy eny amin’ny BIANCO, nohon’ny fisian’ny antontantaratasy vaovao momba azy, voatery notazomina eny ihany ity farany. Ny harivan’ny alakamisy teo kosa anefa, nisy ny filazana fa lasa any amin’ny chaine pénale ny raharaha, avy eo nihemotra indray.