Code de nationalité Malagasy : lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona

0

Nankatoavin’ireo Loholona androany teny Anosikely ny tolo-dalàna manovana ny ampahany amin’ireo lalàna mamaritra ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy. Ny fanovana ny ampahany amin’ity lalàna ity izay manan-danja lehibe mba hamongorana ny fanavakavahana amin’ny lafiny maro. Ho alefa eny anivon’ny Antenimierampirenena araka izany ity tolo-dalàna ity.