Coronavirus : nihaona tamin’ny Filoham-pirenena ny FFKM

0

Manoloana ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus, nifampidinika tamin’ny filoham-pirenena ny maraina teo ireo mpikambana ao amin’ny FFKM. Afaka mandray fepetra mifanandrify aminy ny fiangonana raha ilaina izany, araka ny fanambarana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny FFKM, taorian’ny dinika nifanaovana.