Covid-19 : zandary 220 sy mpianatra 467 eo anivon’ny sekoly ambony no voa hatreto

0

Manodidina ny 220 ny mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus eo anivon’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena, araka ny tatitra avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena androany. Voakasik’izay ihany koa ny teny anivon’ny sekoly ambony momba ny fampiofanana zandary any Ambositra sy Moramanga izay nahitana tranga 467.