Fahatapahan-jiro sy fahatapahan-drano : hiverina amin’ny laoniny tsikelikely

0

Efa tafaverina amin’ny laoniny ny famatsiana ara-tsolika ny toby mpamokatra herinaratra any Antalaha. Nilaza ny avy eo anivon’ny Jirama fa efa nisy ny fifampiresahana ary efa tonga ny solika. Nanome fanazavana ihany koa ny tomponandraikitra ny amin’ny fahatapahan-jiro sy fahatapahan-drano amin’ny faritra maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Olana ara-teknika no anton’izany raha ny fanazavana.