Fahefana mpanao lalàna : Nisokatra omaly ny fivoriana ara-potoana voalohany.

0

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fivoriana ara-potoana voalohany  amin’ity taona 2017 ity eny amin’ny antenimeram-pirenena sy eny amin’ny antenimeran-doholona. Mikasika ny fisondrotry ny vidim-piainanana, ny fitsaram-bahoaka, ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetry ny andro ary ny fampiavanam-pirenena no nivohitra nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena.