Fakana an-keriny misesisesy : mitovy hatrany ny fomba fiadin’ireo mpanao asa ratsy

0

Saika nahitana famakiana fitaratra avokoa ny famahana ny fiara mitondra ireo olona alaina an-keriny nitranga tatao anatin’ny fotoana fohy. Raha tsy hilaza afatsy ny tranga tetsy Antanimena sy ny tranga vao omaly teny Ivandry. Famakiana fitaratra ihany koa no naneren’ny mpitandro filaminana namoahana ny solombavambahoaka Lanto Rakotomanga tamin’ny fotoan’andro. Mitovy fomba fanao ny mpitandro ny filaminana sy ny mpaka an-keriny eto amintsika. Fomba fanao izay mampiahiahy ny mpanara-baovao.